Cetamada : Tao Nosy Be sy Nosy Komba indray no nanantanterahany ny fampiofanana tatsambo sy mpiseradia
Taorian’i Sainte-Marie dia i Nosy Be sy Nosy Komba indray no toerana nampiantrano ny Cetamada na ny fampiofanana ireo tatsambo mpitondra mpizahantany sy ireo mpiseradia. Tanjon’ity fampiofanana ity raha ny fanazavana ny ahafehezana ny fomba tsara indrindra ahafahana mijery ireo trozona rehefa mivoaka ny ranomasina izy ireo.
Ny tontolon’ny zahavoahary sy ny fikarohana ara-tsiantifika manodidina ny ranomasina no anisany lohahevitra lehibe novoizina sy nofanina tao anatin’ny fampiofanana. Nisy ihany koa fanampin’izay ny fampahafantarana ireo andraikitra sy asa sahanin’ny Cetamada sy ny Madagascar Whaleshark Project tamin’ireo mpiofana.
“ Ho fitsinjovana sy ho fampanjakana ny fizahantany lovain-jafy dia nosafidiana manokana ny “zahavoahary” ho ampidirina anatin’ny lohahevitra izay nampiofanana. Fantatr’isika tokoa mantsy fa efa ny ekolojia no takian’ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny sehatra maro ary anisany voakasik’izany ny sehatry ny fizahantany” hoy ny avy amin’ny Cetamada.
Manohana izao fampiofanana izao ihany koa ny ofisim-partitry ny fizahantany any an-toerana. “ Izahay ato amin’ny ofisy dia mankasitraka sy manohana ny hetsika toy izao. Tsapa amin’izao ihany koa ny fiaraha-mientana asehon’ireo mpisehatra maro amin’ny fandraisana ireo mpizahantany hanatrika ny fahatongavan’ireo trozona aty amin’ny sisin-dranomasin’I Madagasikara” hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny ofisim-paritra ao an-toerana.
Ny fizahantany dia sehatra iray mampiditra vahiny maro indrindra eto Madagasikara ka izay no antony mahazava-dehibe ny fanofanana ireo mpisehatra aminy ahafahana mikajy ny tontolo izay hotsidihan’ireo vahiny.
Miranto Andrih
