ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Miezaka manala ireo fako ao an-toerana ny tomponandraikitry ny kaominina

Manao ezaka hatrany ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina Ankadikely amin’ny fanalana ireo fako mivangongo ao an-toerana, amin’izao fotoana izao. Teo aloha kely, nampimenomenona ny mponina ny tsy fisian’ny fandraisana andraikitra, amin’ny fanalana ireo fako ara-potoana tao an-toerana.

“Mila omena fankaherezana sy firarian-tsoa hatrany ireo olona tomponandraikitra amin’ny fanalana ny fako eto an-toerana. Maro ny olana sedrain’izy ireo, mahatonga ny fanalana ny fako ho ara-potoana, izay tsy noho ny adisoana avy aminy kanefa efa manao ezaka hatrany izy ireo ho tombotsoan’ny rehetra” hoy ny tomponandraikitry ny kaominina.

“Mila rindran-damina vaovao mihitsy raha tiana hilamina ny fitantanana ny fako eto amin’ny kaominina. Ny fako dia anisan’ny olana iray lehibe, mila ametrahana vahaolana sy paik’ady manokana ny momba izany mba hialana amin’ny korontana sy ny fifanomezan-tsiny foana” hoy i Kiady, mpianatra momba ny fitantana.

Tsiahivina, niteraka fimenomenomana teo amin’ny mponina ny fivangoan’ny fako sy ny tsy fanalana izany ara-potoana tao an-toerana. Anisan’ny olana nahatonga izany anefa ny fahasimban’ireo fiara lehibe mpitondra fako ao an-toerana ka tsy maharaka ny fanalana ny fako.

Manitra R.

Laisser un commentaire