ActualitésTatitra

Chine : Vehivavy « influenceuse » iray namono tena nivantana tamin’ny tamba-jotra sosialy

Vevivavy 25 taona malaza ao amin’ny tamba-jotra sosialy i « Luoxiaomaomaozi », toy izany no anarana entiny ao amin’ny TikTok. Nanao horonantsary nivantana namono tena izy ny 14 oktobra teo. Nisotro vokatra simika niaro zava-pisotro manoloana ireo olona 678 000 manaraka azy izy ary tsy nahatsiaro tena fotoana vitsivitsy tao aorian’izany. Nentina tany amin’ny mpitsabo haingana ity vehivavy ity saingy voavonjy intsony.Nilaza izy tao amin’ny horonantsary nataony fa « io no farany ho ataony, ary tsy dokam-barotra intsony ny horonantsary ». Nilaza izy fa nijalin’ny fikorotanan-tsaina (dépression) efa an-taonany maro. Nanampy trataka ihany koa ny fanazavana ny famporisihan’ireo nanaraka ny horonantsary azy nisotro ilay zava-pisotro nahafaty.

Laisser un commentaire