SocialTsidika

Toe-tsain’ny mpampiasa : Mifameno sy mifampiankina ny mpampiasa sy ny mpiasa

Rehefa mandraharaha isika dia manana ny orinasantsika manokana. Mitombo miha-mivelatra ny orinasa ka tsy maintsy mampiasa olona indray avy eo. Tsara anefa raha manana ny fitondran-tenan’ny mpampiasa mendrika isika, sady ho fitaratra sy ohatra ho an’ny hafa hatrany. Ahoana izany mpampiasa mendrika izany ? Inona no tokony ho fitondran-tenan’ny mpampiasa manoloana ireo mpiasa ?

Voalohany, tsara raha mandrisika hatrany ny mpiasa isika hanome ny tsara indrindra avy any aminy. Tokony ho tsapan’ny mpiasa tsirairay ny maha zava-dehibe ny fisiany ao amin’ny orinasantsika. Amin’izay dia miezaka manao ny tsara hatrany izy mba ho vao maika tena ilaina ao amin’ny orinasantsika. Tsy tokony hanao tsinotsinona ny anjara andraikitry ny mpiasa tsirairay fa ny fisian’ireo mitambatra no mampandeha ny orinasa.

Faharoa, tsara raha omena ny fomba rehetra ahafahan’ny mpiasa rehetra manatevina kokoa ny fahaizany sy ny fahalalany ny mpampiasa iray. Ilaina ny fanomezana toro-hevitra ny mpiasa mba hivelarany bebe kokoa mba hiakarany ny anjara toerany ao amin’ny orinasa.

Fahatelo, tokony ho modely mandrakariva ny mpampiasa ary manana fomba fiaina manaraka izany. Misy fiatraikany avokoa na ny fihetsika bitika aseho amin’ny mpiasa aza ka hetsika kely fotsiny dia mety hanimba iray manontolo ny orinasa.

Fahefatra, tokony ho hain’ny mpampiasa ny tanjaka sy ny talentan’ny mpiasa tsirairay mba entina hanitarana ny orinasa. Rehefa fantatra ny manavanana ny tsirairay dia tsara raha mifanaraka amin’iny ny asa asaina ataony satria amin’izay maahzo aina izy fa tiany ny asany. Tafita amin’izay fotoana izay ny tanjona satria ny orinasantsika handroso, ny mpiasa rahateo mitrandraka sy manatsara hatrany ny talentany.

Fahadimy, ny tena mpampiasa mendrika dia mahay mankasitraka ny asa tsara ary mahay manome ny hafaliam-pony ho an’ilay mpiasa hita fa niezaka mafy hampandroso ny orinasa. Lasa manana eritreritra ny mbola hiezaka tsaratsara kokoa mantsy ilay mpiasa amin’izay fotoana izay satria nahazo sitraka tamin’ilay mpampiasa.

Fahenina, ny mpampiasa ihany koa dia tokony hahay ny sehatra rehetra ao amin’ny orinasany satria maro mantsy ny tale jeneraly tsy mahalala akory izay asa ataon’ny mpiasa tsirairay hany ka mety ho taraiky eo ny orinasa. Mila tadidiana foana fa sady mpitarika ny mpampiasa ka raha ilay mpitarika no tsy mahay ny ao anatin’ny orinasa dia inona no mbola iantsoana azy ho mpitarika ? Rehefa manana fahalalana ihany koa ny mpampiasa dia afaka manoro sy manampy ny mpiasa raha tojo olana, afaka mandray fanapahan-kevitra ihany koa raha misy tokony ilaina izany.

Fahafito, tokony hahay handray ny fanapahan-kevitra farany ny mpampiasa iray fa tsy sanatria hisalasala sy hatahotra ny hanapa-kevitra manoloana ny mpiasa. Raha tojo olana ny orinasa, inona no vahaolana farany ?

Fahavalo, ilaina ny fahaizana manome sy mizara hafaliana ho an’ireo mpiasa mba hahatonga azy ireo hazoto hiasa mandritra ny tontolo andro. Tsy voatery amin’ny tsikitsiky sy ny fiteny malefaka ihany no hanehoana izany fa azo atao ihany koa raha fiaraha-misakafo na fiaraha-mifety raha misy tsingerintaona. Raha misy hafaliana hafa tiana anaovana fety ihany koa dia mety na dia noho ilay fiara vaovao aza. Tokony ho tsapan’ny mpiasa aorian’izay fa efa noraisintsika ho singa iray amin’ny fiainantsika ny fisian’izy ireo.

Fahasivy, ny tena mpampiasa mendrika ihany koa dia mpitarika tsara. Ahoana izany ? Mila manana toe-tsainan’ny mpitarika « Ity aho ataovy ho tohatra iakaranao ». Tokony hikaroka foana izay hahatonga ny mpiasa ho lasa lavitra eo amin’ny fiainana. Tokony ho tsapan’ny mpiasa ihany koa ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa amintsika ary hietny izy amin’izay hoe « Tiako ny asako ».

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire