Faritra Amoron’i Mania : Vita soa aman-tsara ny famolavolana ny dina
Miroso miandalana amin’ny fanatanterahana ny velirano voalohany, ny fandriam-pahalemana ho an’ny rehetra, ny any amin’ny faritra ankehitriny. Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy ny dinamparitra izay nasiam-panovana, hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana izay nanjaka tany amin’ny faritra. Hanomboka tsy ho ela ny fizarana ireo boky mirakitra ny dina manerana ny kaominina 61 mandrafitra ny faritra Amoron’i Mania. Tanjona amin’izany ny ahafahan’ny rehetra mandray andraikitra manoloana ny ady iombonana, ny tsy fandriam-pahalemana izany.
Ny volana septambra lasa teo no nisy ny fivoriamben’ny tompon’anraikitra rehetra izay misehatra amin’ny ady atao manoloana ny tsy fandriam-pahalemana. Anisan’ireo faritra mandry andriran’antsy ny faritra Amorin’i Mania, ka noho izany indrindra no nanafaingainana ny fanavaozana ireo dina. Ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Ambositra no anisan’ireo nandray anjara tamin’ny famolavolana izany dina izany.
« Ankasitrahana tanteraka ireo tompon’andraikitra rehetra tamin’ny fikelezany aina sy ny finiavany hamerina indray ny rindram-piaramonina izay efa nisy tety amin’ny faritra hatramin’izay » hoy i Voary, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo Andrainjato. « Ny tsy fahampian’ny asa no anisan’ny mitarika ny tsy fandriam-pahalemana eto amin’ny firenena, fanampiana ireo tanora hirotsaka amin’ny sehatry ny asa ahafana mivelona sy mivaotra amin’ny fiainana no tokony himasoan’ny fanjakana raha tiana ny hanafaona ny tsy fandriampahalemana » hoy i Vonjy, raim-pianakaviana.
« Dina efa nisy teto amin’ny faritra ihany no nasiam-panovana, izany hoe nohamafisina kokoa hamaizana ireo mpanao ratsy, teboka maro no voarakitra anatin’izany dina izany fa tsy ny ady atao amin’ny tsy fandriampahalemana ihany » hoy i Amboara, tompon’andraikitra ao amin’ny Tafo Mihaavo. « Tsy maintsy misy hatrany ny fepetra entina hanamafisana ny dina, hiroso amin’ny fananganana komity isaky ny istrika sy kaominina izahay, izay ahitana ireo mpisehatra mivantana amin’ny fampiarana ny dina » hoy i Fanomezantsoa Andrianjanahary, solombavam-bahoaka voafidy tany amin’ny faritra Amoron’i Mania.
Inoana sy antenaina fa hipaka amin’ny fiainana andavan’andron’ny mponina ireo ezaka rehetra ataon’ny fanjakana sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny manoloana ny ady atao amin’ny tsy fandriampahalemana. Afaka mihary am-pilaminana ireo mponina rehefa mandry fahalemana ny tany, mandroso ho azy ny faritra vokatr’izany. Tsy ampy hamongorana ireo mpanao ratsy ve ireo didy aman-dalàna maro izay manan-kery manerana ny Nosy no tonga hatrmin’ny fametrahana dina isam-paritra ny ady atao amin’ny tsy fandriam-pahalemana ?
Haingotiana Andriamihaja
