ActualitésTsidika

Kaominina Andoharanofotsy : Nametraka ny vato fototra amin’ny fanamboarana ny kianja manara-penitra  ny filoha

Anisan’ny sehatra mitondra ny avo ny voninahi-pirenena ny resaka fanatanjahantena. Ilaina ny fanamboarana ny foto-drafitr’asa mifanaraka amin’izany. «  Manana ny maha izy azy ny tanora malagasy raha amin’ny resaka baolina kitra.Anisan’izany ireny lalao natao nandritra ny  CHAN ireny. Mampihetsika ny fitiavan-tanindrazana ireny. Tokony hampiana noho izany izy ireo mba hampivoarana ny resaka fanantanjahanatena ety amin’ny distrika Atsimondrano. . Manomboka androany 16 martsa 2023, ka alohan’ny fetim-pirenena 26 jiona 2023 no hitokanana azy. » hoy i Andry Rajoelina, Filohan’ny Repoblika Malagasy.

Ny fanamboarana foto-drafit’asa toy izao tokoa dia anisan’ny mampiroborobo ny sehatra baolina kitra. Avy amin’ny fokontany, miakatra amin’ny kaominina no hitsimponana sy hifantenana ireo mpilalao. Rariny sy hitsiny raha misy ny fanamboarana toy izao mba hoentina hanosehana ireo tanora hisehatra bebe kokoa amin’ny resaka fanatanjahantena. « Betsaka ny  mpilalao nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy  tamin’ny CHAN iny no avy ety amin’ny Ditrika Atsimondrano,mahavelombolo  ho anay aty amin’ny ditrika izany, indrindra moa amin’ny fanamboarana izany kianja izany atao anatin’ny kaominina sahaniko. Misaotra ny mpitondra mitsinjo ny tanora toy izao. » hoy i  Ben’ny tanana Tôta, kaominina Andoharanofotsy. Manana ny lanjany eo amin’ny lafiny rehetra araka izany ny fampiroboroboana ity sehatra ity. « Faly izahay amin’ity fanamboarana atao ity. Sahirana tokoa izahay rehefa mba te hanao baolina satria de tsy ampy ny kianja hanaovana izany. Hany ka eny an-tanimbary no milalao. Tokony hampiana  ohatra izao foana ny tanora mba hamelomana indray ny hambom-pon’ny mpilalao baolina kitra, hiezaka foana amin’io taranja io », hoy i Tahina, tanora mpankafy baolina kitra.    

Zava-dehibe amin’ny fiahiana ny tanora ny fanorenana foto-drafit’asa manara-penitra. Manampy ny tanora amin’ny fitaizana vatana izany. Etsy andaniny, manala tsikelikely ny tanora amin’ny fandraisana zava-mahadomelina ny fanganana toerana hanaovana fanatanjahantena.

Erwan RAN

Laisser un commentaire