La Réunion : Nihena an’isa ireo marary ny « Dengue »
Teo anelanelan’ny 20 febroary sy ny 5 martsa teo dia 7 monja ireo olona fantatra fa narary ny « Dengue » ao La Réunion raha 13 isa izany nandritra ny 15 andro teo aloha. Nihena noho izany ny antontan’isa na dia nampitandrina ny mety hiverenan’ny valan’aretina manoloana rotsak’orana aza ny ARS.
Mizara amin’ny kaominina efatra kosa io tranga nandritra ny 15 manaraka io, voakasik’izany ny tao amin’ny kaominina Saint-Paul, Trois-Bassins, Saint-Louis ary Saint-Pierre. Raha ny antontan’isa hatramin’ny 1 janoary teo kosa dia 53 ny trangan’aretina « Dengue » voamarina ary nisy fahasarotana ny 20 tamin’ireo.
