La Réunion : Olona roa no namoy ny ainy nandritra ny ora-mikija tao an-toerana
Mpamily miisa roa no nentin’ny riaka, tao atsimon’ny nosy La Réunion, nandritra ny orambe mikija ny alahady tolakandro teo. Omaly alatsinainy vao mangiran-dratsy, lehilahy iray no hita faty tao anatin’ny fiarany, rehefa natosiky ny ranon-trambo, tao amin’ny tanàna iray atao hoe Petite-Ile. Ankoatra izay, ny alahady teo, nandritra ny nisian’ny ora-mikija hatrany, fiara iray nitondra mpandeha maromaro ihany koa no nofoan’ny riaka. Tafavoaka soa aman-tsara avokoa ireo mpandeha tao anatiny, ankoatra ny mpamily. Ity farany izay mbola karohina, araka ny voalaza. Nandritra ny fisian’ity orambe ity ihany koa, maro ny lalana tapaka ao amin’ny nosy. Omaly ihany dia maro ireo sekoly nikatona noho izany loza voajanahary izany.
