France : Nahitana fitomboana ny trangana tuberculose na amin’ny taha ambany aza
Na dia amin’ny taha ambany aza, dia nahitana fiakarana ny tahan’ny trangan’aretina tuberculose, ny taona 2023, ao France, araka ny tombana nataon’ny sampana fahasalamana any an-toerana. Ny taona 2019, tao anatin’ny fotoanan’ny valan’aretina covid 19, tranga 5.114 no hita tany an-toerana. Nahitana fihenana io taha io ary tsy naharay tatitra momba ny aretina raboka firy ny sampan’ny fahasalamana, tao anatin’ny roa taona manaraka, araka ny fanazavana hatrany. Na teo aza ny vokatry ny krizy ara-pahasalamana ny taona 2022, dia tsy nahitana fiovana firy na tranga teo amin’ny raboka ity. Ny taona 2023 no nisy ny fiovana, izay nahitana fitomboan’ny tranga. 4728 ireo tranga voamarina, raha ny tatitra vonjimaika nivoaka. Ny fampitandremana manoloana ny fomba fifindran’ity aretina ity no napetraka hisorohana ny fipariahan’izany, ao anatin’izany ny fanaovana vakisiny ; ity farany izay tsy an-tery ny fanaovana azy.
