ActualitésTsidika

Ambohimanagakely : Tonga nanolotra fampitaovana ho an’ny kaominina ny fikambanana MTF/ERA

Tonga tao amin’ny kaominina Ambohimangakely ny fiandohan’ny herinandro teo, ny avy amin’ny fikambanana ERA, mtf.mg, MHTM. Nanolotra fitaovana informatika isan-karazany, toy ny tablette sy vidéo projecteur izy ireo nandritra izany. Mba ho fampitaovana sy fampivoarana ny kaominina.

« Zava-dehibe ho an’ny kaominina tokoa ny fandraisana ireo fitaovana avy amin’ny fikambanana ity. Araka ny maha fitaovana inforamatika azy dia natao indrindra izany mba hanatsarana ny fanatanterahana ny asa ety amin’ny kaominina, mba hanaraka ny fandrosoan’ny teknolojia ka hisaorana lehibe ny fikambanana » hoy ireo avy amin’ny kaominina.

« anisan’ny taratry ny fandrosoana amin’ny sehatra iray ny kalitao eo amin’ny fitaovana ampiasaina sy ny vokatra atolony ho an’ny mponina. Manantena fa hitondra fiovana sy fivoarana eo amin’ny fanatanterahana ny asa izay ataon’ny kaominina noho izao fampitaovana vaovao izao » hoy i Hanta, mponina ao Ambohimangakely.

Ity fikambanana ity moa dia anisan’ny manohana sy manampy ireo fikambanana na ireo rafitra ambaratonga tahaka izao amin’ny fampitaovana informatika. Tanjon’izy ireo ny hanamora ny fanatanterahana ny asa amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia.

Laisser un commentaire