Mangataka fanampiana ny mponina ao Masindrano
Maro ny trano may sy tsy manan-kialofana noho ny hain-trano niseho tao Mananjary tolakandron’ny 3 aogositra lasa teo tao amin’ny tanànan’ny Masindrano.
Nanahirana ny mpamonjy voina sy ny fokonolona ny namono ny afo satria efa betsaka ireo trano may indrindra fa ny fijoalajoalan’ny afo sy ny fitsokan’ny rivotra. Naharitra adiny roa ny famonoana ny afo noho izany rehetra izany. Tsy fantatra mazava moa ny tena nahatonga ny firehetana fa raha ny filazan’ireo mponina dia tokantrano iray no nisiana fahamaizana voalohany ka izay no niitatra tamin’ireo trano manodidina ka nahatonga izao firehetana lehibe izao.
Rehefa nifanjevo ny mponina dia samy nanavotra ny entana izay zakany sy sisa tsy tratry ny afo ary ny tenany izy ireo, hoy ny renim-pianakaviana iray : « Ny ain’ny ankizy aloha no navotana sy izay entana nobataina ». Nanampy ireo tra-boina koa ireo mpamonjy voina tamin’ny fibatana ny entana isan-karazany. Efa nanao izay tratry ny heriny moa ny tompon’andraiki-panjakana nanoloana izay voina nahazo ny mponina tao Mananjary izao na tamin’ny famonoana ny afo na ny fanampiana ireo traboina raha tsiahiviana dia trano an-jatony no may ary mponina amanarivony no tsy manan-kialofana taorian’izao firehetana izao.
Mangataka fanampiana amin’ny fitondram-panjakana noho izany ireto traboina satria foana tao anatin’ny indray mipi-maso ny zavatra noharian’izy ireo nandritra ny taona maro. Raha ny tombamtombana dia mitetina an-tapitrisany maro any ho any ny entana may fa indrindra misy antontan-taratasy maro may koa tao ary anisan’izany ny taratasy hoentin’ireo mpianatra hanala fanandinana bakalorea amin’ny herinandro
Anja Raharimalala
