ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Voasambotry ny zandary ny tamba-jotran-jiolahy mpangalatra

Tambajotran-jiolahy nangalatra « coffre fort » tao Ambohimangakely no tratran’ny mpitandro filaminana rehefa nokarohana nandritra ny fotoana naharitra. Voasambotra tany Antananarivokely Tsinjoarivo, distrikan’Ambatolampy, tamin’ny 27 janoary teo niaraka tamin’ny sakaizany ny voalaza tena atidoha nikotrika ny halatra. Tany Ivato Centre, distrikan’Ambositra kosa ny iray anisan’ny mpiray tsikombakomba tamin’ny mpangalatra, ary teny amin’ny 67 sy Andavamamba kosa ny sasany, raha ny voalaza.

« Rehefa natao ny fanadihadiana ireto jiolahy nanao ny asa ratsy ireto, rehefa nohenoina izy rehetra dia samy niaiky avokoa fa nandray anjara tamin’ny fihinana ny vola avokoa ary nifandondro » hoy ireo avy amin’ny mpitandro ny filaminana.

« Raha tsiahivina moa, araka ny filazan’ny niharan’ny fangalarana dia ny fahaverezan’ity coffre fort ity dia nahavery antota-taratasy maro samihafa ihany koa, finday miisa 06, ary vola mitentina 13 000 000 ar no tao anatiny » hoy hatrany ny avy amin’ny mpitandro filaminana.

 Ny alatsinainy 31 janoary teo moa no niakatra fitsarana ity raharaha ity ary mbola mitohy ny fikarohana ireo mpiray tsikombakomba hafa ao anatin’izany raharaha izany. Efa tafaverina amin’ny tompony kosa ny ampahim-bola izay tsy mbola lanin’ireo olon-dratsy niaraka amin’ny antotan-taratasy.

Manitra R.

Laisser un commentaire