PolitiqueTsidika

Clemence Raharinirina : Takian’i ben’ny tanàna folo tapitrisa ariary

Nivoaka ny fito ambin’ny folo aogositra ny didim-pitsarana ny raharahan’i Clemence Raharinirina.

Raha tsiahivina, notorian’ny ben’ny tanàna i Clemence Raharinirina. Raharaha fanakorontanana teny amin’ny tsenan’ny Behoririka no anton’io fitoriana io ary niafara teny amin’ny Fitsarana Anosy. Nanao fanambarana i Clemence izay mpanolo-tsainan’ny Kaomininan’Antananarivo ka mitentina folo tapitrisa ariary ny onitra nangatahan’ny Ben’ny Tanana Naina Andriantsitohaina aminy ary miampy efatra alina sy roa hetsy ariary arakan’ny didy navoakan’ny fitsarana.

Raha ny fanambarana nataon’ity farany: amin’ny maha mpanolo-tsaina azy tsy tokony hahazo sazy raikitra ny tenany na lamandy aza satria azon’ny mpanohitra atao ny manala azy tsy ho mpanolo-tsaina intsony. Mieritreritra mihitsy aza ny tenany fa tetika fanesorana azy eo amin’ny toerany ny fitoriana misesisesy atao aminy. Raha ny filazany hatrany raha ‘‘incitation aux troubles a l’ordre public’’ no nanenjehana azy dia nivadika ho ‘‘violence et voie de fait’’ izany ankehitriny. ‘‘Vonona ary sahy mandrakariva ny tenako hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny amin’ny asa izay nifidianan’ny vahoak’Antananarivo ahy sy amin’ny andraikitra izay ankinin’ny taxi Antananarivo ahy’’ hoy hatrany Clemence. Mbola hampiakatra ny raharaha ny tenany ary i Maitre Willy izay mpisolovava natolotry ny TIM azy hatrany no hisolo vava azy sy hiara-dalana aminy mandritra ity raharaha ity.

Samy manana ny fanehoan –keviny ny mpanara-baovao manoloana ity tranga ity. ‘‘Ny tody tsy misy fa ny atao ny miverina. Anisan’ny nanaratsy an’i Lalao Ravalomanana fony izy mbola Ben’ny Tanana i Clemence ka izao mba azy indray no mizaka ny nataony’’ hoy Irene. Ny antoko TIM kosa dia manamafy hatrany ny fanohanany an’ ity mpanolotsaina ity.

Tsy mety misy filaminana mihitsy eo amin’ny Ben’ny tanana sy ny ity mpanolo-tsaina ity. Raha izao aza ny tranga hita ety ivelany, manao ahoana ny fifandraisana ao anatiny. Ilaina ny isian’ny fampihavanana ireto mpiara-miasa ireto satria mitovy ny tanjona, mitovy ny vina. Tsy tokony ho tonga hatramin-ny fifampitoriana toy izao ny tsy fitovian-kevitra. Aiza ho aiza ny fitondram-panjakana amin’izao ady lavan’ireto tompon’andraikitra mahefa ao amin’ny kaominina ireto, sa odiana tsy hita ?

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire