PolitiqueTsidika

CCOC : Hanao atrikasa momban’ny fampiasana volam-panjakana manoloana ny filan’ireo mponina

Hanatanteraka andro hoan’ny olom-pirenena mahakasika ny fampiasam-bolam-panjakana ny vondron’ny olom-pirenena sy ny fikambanan’ny olom-pirenena na “Collectif des citoyens et des organisations citoyennes” (CCOC) ny Alakamisy 19 Aogositra 2021 izay ho atao ao amin’ny Chambre du Commerce et de l’Industrie Antaninarenina.

Ny lohahevitra entina amin’izany fifanakalozana izany dia ny hahafantarana ny safidin’ny fampiasam-bolam-panjakana manoloana ny filan, ’ny mponina. Amin’ny fanolorana izany hetsika izany, manazava ny vondron’ny olom-pirenena:”Ny fampiasam-bolam-panjakana dia mitana anjara asa ampahany lehibe amin’ny tetibola ankapoben’ny Fanjakana miaraka amin’ny tambin-karama mitentina 4 355, 1 lavitrisa, izany hoe 41, 1% ny tetibola ankapobeny ary antoky ny fampandrosoana ny firenena izany. ” Hizara telo lehibe moa ity atrikasa ity. Hisy ny fandraisam-pitenenana hataon’i Marion Zafera, kaomisera Jeneraly mpisolo toerana an’ny Organisme de Coordination et de Suivi des Investissments et de leurs Financements (OCSIF) mahakasika ny lohahevitra “Fisafidianana ireo fandaharana fampiasam-bolam-panjakana hamaliana ny tena filàn’ny mponina ».

Handray anjara amin’izany koa, ny Profesora Ramiliarison Andriampeno, filoha nasionaly ny CREM na ny Cercle de réflexion des économistes de Madagascar izay hitondra ny lohahevitra : « Ny trosan’i Madagasikara : Ilaina ve ny findramam-bola?”. Ary ny fizarana fahatelo farany ho entin’ny solombavabahoala voafidy tao amin’ny distrikan’i Vangaindrano, Eleonore Johasy Raharisoa, sy Ratsihosena Andrianandrasana, filohan’ny “chambre près de la cour des comptes” izay hitondra ny lohahevitra “Ny rafitra fanaraha-maso sy fanombanana ireo PIP (Programme d’investissements publics”. Araka ny fanazavana, ny fifanakalozana ho hatao amin’izany dia ho halefa amin’ny tabamjotran-tserasera Facebook ny fikambanana.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire