ActualitésSocialTsidika

Ambohimanambola: Nasiana fanamafisana ny tohan-drano ao Andranomanonga

Nirotsaka an-tsehatra, nitondra fanamboarana sy fanatsarana ny toha-drano ao Talata, fokontany Andranomanonga, ny avy amin’ny kaominina Ambohimanambola. Ao anatin’ny famaranana ny asa ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana izao, ary ho vita tsy ho ela izany, araka ny voalaza.

“Manao ezaka hatrany ny avy eo amin’ny kaominina amin’ny fanamborana ireo foto-drafitr’asa izay mamaly ny filàn’ny mponina eny ifotony. Ity toha-drano ity izany mamatsy rano ny lemaka Ivovoka ka zava-dehibe ho an’ny fambolena sy ny fiharian’ny mponina eny an-toerana ny fahavitanizany” hoy ireo tomponandraikitra misahana ny fanorenana sy ny fanajariana ny foto-drafitr’asa ao an-toerana.

“Tsy nisy ny olana nandritra ny fanatanterahana ny asa teto Andranomanonga. Hisaorana ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny sy ireo mpanohana ny fiaraha-miasa nafahana nanatanteraka izany foto-drafitr’asa izany. Tanjona amin’izao fanamboarana izao moa ny fiomanana sahady amin’ny fotoanan’ny orana” hoy hatrany ny fanazavana.

Manan-danja lehibe eo amin’ny mponina ny fahavitan’ny toha-drano tahaka izao, indrindra ny tantsaha mpamokatra. Avy amin’ny toha-drano tokoa no hisian’ny rano amin’ny tanimbary manodidina. Raha ny voalaza hatrany moa, dia hitohy ary hirosoana ihany koa ny fanatsarana ireo toha-drano roa hafa eny an-toerana.

Manitra R.

Laisser un commentaire