Fivahan’ny olan’ny Orinasa Secren S.A
Raha tsiahivina dia nadritry ny efa-bolana no tsy nandray ny karamany ny mpiasan’ny SECREN, niditra tao anatin’ny fitokonana arak’izany izy ireo.
Ankehitriny anefa dia namaly ny antson’ireto mpitokona ny fanjakàna ka nilaza fa « handray ny karamany tsy voaloa nandritra ny efa-bolana sy tapany ny mpiasan’ny Secren S.A, araka ny fandaminana dia aloa amin’ny herinandro ambony ny karama 1 volana sy tapany. Ny 3 volana ambiny dia ho raisina tsikelikely miaraka amin’ny karama feno isam-bolana ».
Namoaka ny hafaliany tamin’ny alalàn’ny filanjàna sora-baventy nandraisana ny minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy mpiasa nandritry izany, nanotrona teo koa moa ny ministry ny Jono sy ny Toekarena manga, Mahatanti Paubert. Ka voalaza tamin’izany fa « apetraka ny administrateur délegué, hiaraka hamolavola amin’ny mpitantana ny drafitra maharitra hanavotana ny orinasa, noho ny krizy nolalovany an-taonany maro ».
Lovasoa Tojonirina
