Fanaovana ny lalana Ambanja-Andoharano ho lasa pave
Ny fahatsaran’ny lalana dia miantoka ny fampandrosoan’ny tanàna iray. “Manjary toa misakana anay tsy hisy fifandraisana ny haratsin’ny lalana” hoy I Mariette mponina ao Abanja. Hisy araka izany ny fanamboaran-dalana ho lasa pavé ao amin’ny renivohitr’Ambanja izay mirefy 9 km. Izany hoe fanatsarana ny am-pahan-dalana mampitohy an’Ambanja sy Antsiranana amin’iny RN6 iny no hisy hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Nanomboka ny alatsinainy 12 jolay teo ny asa fantsarana ny lalana ho lasa pave izay tohanan’ny Banky iraisam-pirenena hoy ny Governoran’ny faritra Diana, Daodo Arona Marisiky. Ny orinasa CGC China no nanankinana ny asa mandritra ny 12 volana. Ny Governora notronin’ireo olom-panajakana maro any an-toerana no nametraka ny vato voalohany tamin’izany fotodrafitr’asa. Mitentina 18 Miliara Ariary ny famatsiam-bola azo tamin’izany. Ny lalana Ambanja makany Andoharano no nosafidiana ho atao noho izy voalohany mpamokatra cacao eto Madagasikara hoy ny tompon’andraikitra teny ifotony.
Nicole rafalimananjara
