ActualitésTatitra

Asie : Ny « Paulawnia » no hazo manadio rivotra indrindra

Raha jerena ivelany dia toy ny jacaranda ny « Paulawnia ». Hazo miavaka anefa izy ary ao Asie no tena ahitana azy.Ankoatra ny maha mpanjakan’ny haingon-jaridaina azy noho ny lokony dia mitondra tombotsoa goavana ho an’ny tontolo iainana ny « Paulownia Tomentosa » antsoina ihany koa hoe « arbre impérial ». Manana fahafahana manivana ny rivotra (filtration) tsy toy ny hazo hafa ity hazo ity. Mahavita mitroka avy folo heny ny « gaz carbonique » mihoatra ny hazo hafa izy ka manadio vetivety kokoa ny rivotra.Ao anatin’ny telo taona monja nefa dia mahatratra ny haavony lehibe indrindra ity hazo ity izany hoe manodidina ny 20 metatra. Ankoatra izay dia manadio ny tany ny « Paulawnia »,. Trohan’ny fakany avokoa ireo loto rehetra ao amin’ny tany.

Laisser un commentaire