ActualitésTatitra

Angleterre : Iza moa i Bruce Welch ?

Mpitendry « guitare rythmique » ao amin’ny vondrona mpihira mivohy ny gadona rock « The Shadows » i Bruce Welch. Teraka ny 2 novambra 1941 taoBognor Regis ny tenany ary mpamorona sy mpanoratra hira ihany koa.

Anisany mpisava lalan’ny gadona « Rock » tao Europe tany amin’n taona 1958 ny tarika The Shadows. Hatrany ampiandohana dia nanamarika ny tontolon’ny kanto teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy ireo na niaraka amin’i Cliff Richard na nandeha nitokana.

Efa voafidin’ny gazety marolafy Guitarist ho « guitariste rythmique du siècle » i Bruce Welch tamin’ny taona 2000. Namorona sy namoaka vokatra maro efa laharana voalohany teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany ko aizy ivelan’ny fiarahana tamin’ny The Shadows.

Marihana fa noravahin’ny mpanjakavavy Élisabeth II ho manam-boninahitra i Bruce Welch.

Laisser un commentaire