Tatitra

Tanzanie : 4 no maty nandritra ny fifampitifirana Dar es-Salaam

Raikitra ny po-basy tao Dar es-Salaam, renivohitra ekonomika an’i Tanzanie ny alarobia teo. Polisy telo ary mpiambina mpiaro iray no namoy ny ainy tamin’izany. Olona enina ihany koa no naratra nandritra ity fifandonana ity raha ny tatitra nataon’ny tompon’andraikitra.

Tsy mbola fantatra kosa ny anton’ity fanakorontanana ity, saingy fantatra fa teratany somalien ity lehilahy ity ary nanao satroky ny mpivavaka silamo miloko fotsy hoy ny lehiben’ny asan’ny polisy, Liberatus Sabas. Lavo nandritra ny fifandonana moa io lehilahy io raha ny fanazavany. Vao eo ampanatanterahana ny fanadihadiana kosa izy ireo raha asa fampihorohoroana tokoa ity raharaha ity.

Laisser un commentaire