Espagne : Mpivarotra zava-mahadomelina nosamborin’ny olona teny amoron-dranomasina
Mpivarotra zava-mahadomelina maromaro nitondra « résine de haschich » maherin’ny 800 kilao no nifanenjika tamin’ny sambo tamin’ireo mpiambina ny morontsirak’i Espagne tao amin’ny ranomasin’i Andalousie. Rehefa nifanenjika nandritra ny fotoana maro tamin’ny hafainganam-pandeha 150 km/ora ny roa tonta dia maty teo amoron-dranomasin’ny Melicena ao Sorvilan Andalousie ny sambon’ireo voarohirohy.
Tsy namelan’ireo olona sendra teo an-toerana kosa ireto mpivarotra zava-mahadomelina raha nikasa ny hitsoaka ka voasambotra ny iray. « Hiaro ain’olona sy hisoroana ny loza no antony nandraisanay andraikitra » hoy ny lehilahy iray tamin’ireo nisambotra ity mpivarotra zava-mahadomelina ity.
