SocialTatitra

France : Nahemotra ny fidiran’ny mpianatra ao Antilles sy Guyane

Tsy miverina an-tsekoly ireo mpianatra ao Martinique, Guadeloupe ary ao amin’ny ireo faritra mena sasany ao Guyane raha tsy amin’ny 13 septambra raha tokony amin’ny 2 septambra izao izany.

Ny mpitondra tenin’ny governemantan’i Gabriel Attal no nanao io fanambarana io ny alarobia teo ary nanamafy izy ny entina hitandremana manoloana ny fianaky ny valan’aretina covid-19 ao amin’ny Antilles izany. Mahatratra 21 500 mantsy ny tranga raketin’ireo Antillais ireo isan’andro.

Laisser un commentaire