ConseilTatitra

France : Hampiakatra ny karaman’ny mpampianatra i Jean-Michel Blanquer amin’ny taona 2022

Efa tamin’ny faran’ny volana mey teo ny minisitry ny fanabeazam-pirenena no nanambarafa hisy fampiakarana ny karaman’ny mpampianatra amin’ny taona 2020.

Teti-bola 245 tapitrisa euro no natokana ho an’io fanavaozana io raha ny fanazavana. Nampilaza ny Snalc, Snes-FSU ary ny Se-Unsa fa manodidina ny 29 euro hatramin’ny 57 euro isam-bolana io fiakarana io saingy miankina amin’ny fe-potoana niasan’ny mpampianatra raha vao iray na roa taona niasana izy na efa am-polony.

Nanambara kosa i Jean-Michel Blanquer ny volana mey teo fa ny hatratran’ny karaman’ireo mpampianatra mbola tanora 2000 euro isam-bolana no tanjona. Mbola hanamafy io fanampahan-kevitra io kosa izy mandritra ny fampielezan-kevitra fanaony isaky ny fidiran’ny mpianatra.

Laisser un commentaire