ActualitésTatitra

La Réunion : Mbola tsy atahorana ilay rivodoza Fabien

Rivodoza fahaenina nahazo anarana niforona taty amin’ny faritry ny ranomasimbe indianina tamin’ity taona 2023 ity ny rivodoza Fabien. Ho an’ny omaly 16 may dia lavitry ny Mascareignes no nisy azy ary mandritra ny 48 ora dia tsy ahatahorana hiteraka loza izy. Mizotra miankandrefana-atsimo-andrefana amin’ny hafainganam-pandeha 17 km/ora kosa izy.

Na mbola tsy ahatahorana aza io rivodoza io dia aharin’ny Météo-France La Réunion maso akaiky izany. Hatreto dia tsy mitondra fiovana betsaka ho an’ny mety ho toetry ny andro izy ary heverina fa hanohy ny diany ao Chagos. Vinavinaina hivadika rivodoza tropikaly mahery vaika kosa ny alakamisy 18 may izao.

Laisser un commentaire