Tontolo iainana : Tafatsangana ny zaridaina Za Bibikelin’ny Havoana Land
Nohon’ny fiaraha-miasan’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny Havoana Land dia tafatsangana ny zaridaina natokana ho an’ireo kbibikely isan-karazany ka nomena ny anaran hoe « Za Bibikely ». Izany dia tafiditra ao anatin’ny programan’asan’ny ONG Za Bibikely ho fampiroboroboana ny “netomologie” sy ny fanentanana ara-tontolo iainana.
« Ao Imerinkasinina Ambohimalaza no hametrahana ity zaridaina ity ka nomena ny anarana hoe Za Bbibikely. Mirefy 550 m² ny refinyaty ahitana fitaovana ho an’ireo laboratoara ho ampiasain’ireo mpianatra taona fahadimy eny amin’ny Anjery Manontolo. Afaka tsidihina ho an’ny olon-drehetra ny toerana », hoy ny Tompon’andraikitra ny toerana.
« Mahafinartitra foana ny mahita hoe mpianatra Malagasy efa mivelatra amin’ny tontolo hafa toy izany. Raha noheverina ho tsy nisy dikany ireny bibikely ireny taloha dia efa misy mihitsy amin’izao fotoana izao ny zaridaina natokana ho azy. Efa misy miaraka amin’izany ihany koa ny sampana eny anivon’ny Oniversite ahafahana mandinika azy. Izany rehetra izany dia manana tanjona lehibe ny amin’ny fiarovana ny tonotlo iainana », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana.
Anisan’ny mandray anjara amin’ny fahatsaran’ny tontolo iainana ny bibikely ka tokony harovana fatratra sy ho tandremana. Dieny mbola kely dia efa tokony hampahafantarina izany ny ankizy tsy hamonomono foana ireny biby ireny. Azo atao ny mitsidika ny zaridaina « za bibikely » raha te hahalala bebe kokoa ny mahakasika izany ny ankizy.
Miora Raharisolo
