Ankadikely Ilafy : Mitohy ny ezaka amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny fako
Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny kaominina Ankadikely Ilafy amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny fako ao an-toerana. Misy ny fikaroham-bahaolana hatrany ao anatin’izany mba hisorohana ny fitobiana sy fivangoan’ny fako, raha ny voalaza.
« Tsy mipetra-potsiny ny avy eto amin’ny fiadidin’ny kaominina amin’ny fitantanana sy fandrindrana ny fako eto an-toerana. Ao anatin’izany anefa no hanentanana ny rehetra hatrany mba hanaja sy hitandro ny fahadiovana, indrindra hanaja ny lamina napetraka mba hifehezana izany » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Tsy ampy fotsiny ny fametrahana ny lamina amin’ny fandrindrana ny fako fa ilaina ihany koa ny fametrahana fepetra (mesure d’accompagnement) toa ny fametrahana dapa-pako isaky ny fokontany mba hialana amin’ny fiparitahan’ny fako » hoy i Nosy, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Tomponandraikitra amin’ny fikajiana ny fahadiovan’ny tanàna ny tsirairay. Anjaran’ny tomponandraikitra misahana ny kaominina kosa anefa ny manentana sy manamafy ny fepetra enti-mitaiza ny mponina amin’ny fikajiana ny fahadiovana.
Manitra R.
