ActualitésTsidika

PLE Express : Miasa 24/24h miaraka amin’ny tolotra tsara kalitao

Hita fa vao haingana ny fidiran’ny mpianatra ary mbola azo lazaina ho ao anatin’ny fotoana mbola mety izao raha mividy fitaovana ho an’ny mpianatra. Izany hoe ireo fitaovana izay nisy tsy ampy kely noho ny antony samihafa.

Manome fahafaham-po anao ny ao amin’ny PLE Express izay mivarotra fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary sy tsara kalitao. Fiaraha-miasa amin’ny MG Stationnery izao hatao izao satria ny fitaovana vokarin’izy ireo dia tsara sy mafy ka izany indrindra no nahatonga ny PLE Express ho mpaninjara izany entany izany. Maro ny entana hita ao izay amin’ny kalitao ambony avokoa. Ao amin’ny Immeuble La Vallée Antsakaviro no hanjifana izany. Manana pejy facebook ihany koa izy ireo dia ny « PLE Express » izany hahafahana mifanerasera.

Ankoatra ny varotra dia manana tolotra hafa izy ireo izay efa namantaran’ny maro azy hatramin’izay dia ny « service livraison » izany. Miasa isan’andro amin’ny ora rehetra ny PLE Express miaraka amin’ny tolotra mahafa-po hatrany. Miaraka amin’ny tsikitsiky sy ny fahamarin’ny fotoana izany mazava ho azy.

Maro ny fomba hahafahana mifandray amin’ny PLE Express, amin’ny alalan’ny mailaka dia ao amin’ny ple.expresse@gmail.com sy amin’ny alalan’ny antso antarobia amin’ny 034 57 762 14. Azo atao ihany koa anefa ny manatona eny an-toerana raha hijery ny toeram-pivarotana sy ny kalitaon’ny entana dia ao amin’ny Immeuble La Vallée Antsakaviro izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire