ActualitésTatitra

Mayotte : « Job dating sportif », fandraisana mpiasa hafakely

Notontosaina ny alatsinainy teo tao amin’ny kianjan’i Cavani ny hetsika « du stade à l’emploi » nokarakarain’ny Pôle emploi Mayotte, teo ambany fitarihan’ny Comité olympique Paris 2024 sy ny federasiona frantsay ny atletisma.

Olona mpitady asa an-jatony no nandray anjara tamin’ny hetsika, nanatontosa ny dingana ara-panatanjahatena izy ireo talohan’ny nanatontosany ny « Job dating ». Tanjon’io hetsika io ny fanasongadinana fa manana anjara asa amin’ny fanehoana ny talenta ny fanatanjahantena. Nahafahan’ireo orinasa nijery ny fahaiza-manao ara-panatanjahanten’ny mpandray anjara mba nahitana ny finiavany sy nahafahana namaritra ny tolotra nety tamin’ny tsirairay io « Job dating sportif » io hoy i Gabrielle Kuola, talen’ny sampana fiaraha-miasa ao Pôle emploi Mayotte.

Laisser un commentaire