ActualitésTsidika

Alasora: Lozam-pifamoivoizana tetsy Ankadindratombo.

Nisehoana lozam-pifamoivoizana tetsy Ankadindratombo akaikin’ny labatoara famonona omby, kaominina Alasora, omaly Talata. Kodiaran’efatra  nandeha mafy saika hisongona fiara ka nifatratra tamin’ny fiara Express iray amin’ny sisiny no niseho nandritra izany, raha ny voalaza.

“Fiara 206 no saika ho songonan’ilay moto, nisy bisikileta ihany koa anefa teo ary hisongona azy ilay 206 ka teo no nitranga ny loza” hoy I Bertin, mpivarotra ao Ankadindratombo.

“Lesona ho an’ireo mpitondra tongo-droa mandeha mafy loatra izao. Ary tokony hanara-maso ihany koa ireo tomponandraikitra fa misy tena manao fanahiniana amin’ny fandehanana mafy ireo mpampiasa lalana ireo ka ny olona tsy manantsiny no tra-doza miaraka aminy” hoy I Lanto, mponina ao Alasora.

Marihina moa fa tsy nisy ny aina nafoy nandritra ity lozam-pifamoivoizana ity fa naratra kosa ny mpitondra ilay kodiaran-droa . Izany indrindra no ilaina ny fitandremana sy ny fanajana ny lalànan’ny fifamoivoizana indrindra ny hafainganampandeha diso tafahoatra mba hiarovana ny tena sy ny olon-kafa.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire