ActualitésTatitra

Comores : Mamiratra ny solotenan’ny nosy mandray anjara amin’ny lalao CJSOI ao Maurice

Namiratra ny solotenan’i Comores ny talata teo tao amin’ny lisitrin’ny fahazoana medalin’ny lalao Cjsoi. Nahazo ny medaliny volamena tao amin’ny « Complexe sportif de Côte d’or » izy ireo nandritra io fotoana io, tamin’ny alalan’ilay « sprinter » Saïd Ali Moumbaazi, sokajy T37.

Marihana fa atletan’ny federasionin’ny « handisport » i Saïd Ali Moumbaazi izay manana tsy fahatomombanana eo amin’ny tongony. Nahavita ny lera tsara indrindra 13’’53 tamin’ny fifaninana nataony nefa izy. I La Réunion, tamin’ny alalan’i Joris Samara (14’’09) sy i Maurice, tamin’ny alalan’i Dylan Faron (15’’37) kosa no nahazo ny medaly volafotsy sy varahana.

Laisser un commentaire