Sabotsy Namehana : Nametrahana tsipika fiampitana ho an’ny mpandeha an-tongotra ao amin’ny lalam-pirenena fahatelo
Napetraka ao amin’ny lalam-pirenena fahatelo, izay mandalo ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, tamin‘ny fiatombohan’ny herinandro teo, ireo fampahafantarana amin’ny tany izay entina hampatsiahivana ny mpampiasa lalana ny fiampitana sy ny fampiasa ny lalana ao an-toerana.
«Napetraka ireo tsipika fiampitana natokana hoan’ny mpandeha tongotra ho fiarovana ny ain’ny mpandeha tongotra andaniny fa ho fandrindrana ny fifamoivoizana ankilany. Izany ihany koa no natao dia ho fandaminana ny tanàna” hoy ny avy amin’ny kaominina.
“Entanina hatrany isika mponina mba hampiasa azy ireny, ary hanaovana fanentanana manokana ihany koa ireo mpamily miditra sy mivoaka ny tanàna mba hanaja ireny ho fiarovana ny rehetra” hoy hatrany ireo avy amin’ny kaominina.
Anisan’ny zava-dehibe tokoa ny fametrahana ireny famantarana amin’ny lalana ireny. Natao indrindra ho an’ny fandaminana ny fifamoivoizana sy ho fifanajana ho an’ny mpampiasa lalana rehetra izy ireny ka tokony arahana.
Manitra Ramanantsoa
