ActualitésTsidika

Fanatanjahantena : Nahazo sazy ireo mpilalao nitarika ady tamin’ny Pro-league

Raha tsiahivina dia nifarana tamin’ny korontana ny lalao izay nifanandrinan’ny Tsaramandroso Formation sy ny Ajesaia ny alahady 04n desambra teo. Lalao izay tao anatin’ny lalao Pro-league. Mety hiafara amin’ny fanesorana azy ireo ao anatin’ny lalao intsony iny korontana novolen’izy ireo iny saingy mbola mila jerena manokana izany.

“Mitentina 500 000ar sy tsy faahzoan-dalana hilalao mandritra ny lalao miisa 6 i Soloniaina Philémon Ratovonanahary, mpilalao avy ao amin’ny Tsaramandroso Formation FC (TFFC). Ary mpilalao namany roa ihany koa no voasazy handoa 200 000ar ary tsy mahazo miatrika lalao miisa 3 ihany koa”, hoy ny avy amin’ny mpikarakara ny Pro-league.

“Tsy mijanona ho an’ireo ekipan’ny Tsaramandroso ihany ny sazy satria ny vy tsy mikitrana irery fa kosa tsy natao nitovy ireo sazy araka ny lalàna izay mipetraka. Mandoa sazy 200 000ar sy tsy mahazo miatrika lalao 3 i Anito Andriamifidy. Voarohirohy ihany koa ny mpanazatra ny Ajesaia ireto ka tsy mahazo mitarika ireto farany mandritra ny lalao 2. Ny sazy farany izay natolotra kosa dia amandy 2 000 000ar ho an’ny Ekipan’ny Ajesaia izay tsy nahaampy ny fitandroana ny filaminana nandritra iny lalao iny”, hoy hatrany ny fanazavana.

“Mafana fo be ry zalahy, mariky ny tsy fahatantesana resy anefa ireny nasehon’izy ireo ireny ka tokony hojerena manokana ny fampianarana sy fanabeazana ara-pitondratena ireto mpilalao ireto. Anisan’ny taranja tokony hianarana anaty fanatanjahantena ihany koa izany amiko ary toklony mandeha ho azy ho an’ny mpilalao rehetra”, hoy i Liva, mpankafy baolina kitra.

Tsar any manamarika fa tsy haverina intsony iny lalao izay efa vita iny ary ny mpikarakara dia nanolotra ny fandresena ho an’ny Ajesaia rehefa tapitra ny lalao. Mila mitandrina anefa ireto ekipa roa tonta ireto satria mety ho tonga hatramin’ny fandroahana azy ireo tsy ho anatin’ny ligy intsony iny toetra sy zava-nitranga niseho tetsy Antanikatsaka. Ho an’ny mpanao fanatanjahantena ihany koa dia ilaina hatrany ny mba mahay mifaly amin’ny anjaran’ny sasany dia mpifanandrina aza ireny.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire