Suisse : « Cocaïne » 500 kg no tratra tao anaty entanan’ny orinasa Nespresso
Vovon-javatra fotsifotsy hafahafa no tratra tao anaty kitapo nisy voan-kafen’ny orinasa Nespresso ny herinandro lasa teo. Tonga nijery izany haingana tao amin’ny ivo-toeranan’i Romont, tao canton de Fribourg ao amin’ny faritra andrefan’ny firenena ireo manam-pahefana ka nahatratra « Cocaïne » naherin’ny 500 kg.Tao anaty kaontenera dimy nentin’ny lamasinina tamin’io andro io no nahitana io zava-mahadomelina io. Mba nampandriana ireo mpanjifa dia nanazava ireo manam-pahefana fa tsy voakasik’ireo « cocaïne » ireo ny famokarana tao amin’ny ozinina.Raha ny fantatra kosa dia avy tany Brésil io zava-mahadomelina io ary nokasaina nentina tany amin’ny tsena européen. Mbola « pure 80% » io « cocaïne » tratra io, heverin’ireo polisy eo amin’ny 48 tapitrisa euros eo ny sandan’izany.
