Norvège : Voasazy handoa lamandy taorian’ny fanaovana fety ny praiministra
Voasazy handoa honitra mavesatra manoloana ny tsy fanajana ireo fepetra entina miady amin’ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus ny praiministra norvegiana, Erna Solberg, ny zoma 09 aprily. Fanaovana fetim-pianakaviana entina nankalazana ny tsingerintaona faha 60 taona nahaterahany no hanasaziana azy. Betsaka loatra ny isan’ireo olona nandray anjara tamin’ity fety ity fa nanasokajiana azy ho tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fahasalamana ao an-toerana. Fety nokarakaraina ho an-dramatoa Solberg izy io ary nandray anjara tamin’ny fikarakarana ihany koa ny tenany hoy ny polisy norvegiana. Vola mitentina 2000 euro (manodidina ny 6 tapitrisa ariary) araka izany no tsy maintsy alohan’ity praiministra ity. ny fahitalavim-panjakana NRK no namoaka ny vaovao mahakasika io fety nataon’ny fianakian-dramatoa Solberg io ny 18 martsa lasa teo ka nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny teo anivon’ny polisy. Mamim-bahoaka i ramatoa Solberg nefa tsy misy ambonin’ny lalàna izany hoy ny kaomisera Ole Saeverud nandritra ny valan-dresaka nataony tamin’ireo mpanao gazety.
