SocialTatitra

Nouvelle-Guinée : Ahiana  ny mety hisian’ny valan’aretina taorian’ny fihotsahan-tany nahafatesana olona maro

Taorian’ny nitrangan’ny loza voajnahary, fihotsahan-tany namoizana ain’olona maro tao Papouasie, Nouvelle-Guinée, tamin’ny herinandro lasa teo, dia ahiana ny mety hisian’ny valan’aretina indray any an-toerana, araka ny fanambarana nataon’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fifindra-monina. Amin’izao fotoana, dia tsy mbola miaina ao anatin’ny sisan’ireo fahavoazana vokatry ny loza ireo mponina any an-toerana, ao anatin’izany ny tsy fahampian-tsakafo sy ny tsy fisian’ny rano fisotro madio. Ankoatra izay, tsy mbola voafaritra mazava hatreto ny tena isan’ireo lasibatra marina tao anatin’ny tranga. Raha ny voarain’ireo tomponandraikitra, dia manodidina ny 2000 ireo lasibatra. Mbola mitohy ny fikarohana ireo sisa tavela any ambanin’ny tany ary hatreto de 11 ireo vatana tsy misy aina hita. Ahiana ihany koa ny hisian’ny valan’aretina any an-toerana noho ny fahalotoan’ireo renirano vokatry ny fihotsahan-tany hatrany.

Laisser un commentaire