Zimbabwe : Nomena bisikileta ireo mpianatra, hisorohana ny ratra ateraky ny fanenjehan’ireo biby dia
Tranga hiainan’ireo mponina, indrindra ny mpianatra any avaratra-andrefan’i Zimbabwe, ny fifanenana amin’ireo biby, toa ny elefanta sy ny liona. Miteraka tahotra sy horohoro ho an’ny mpianatra izany, satria isanandro dia tsy maintsy mamakivaky lalana mirefy 6km , dia an-tongotra izy ireo raha hamonjy toeram-pianarana, izay mandalo ny valan-javaboary any an-toerana. Ny elefanta no biby mamono olona indrindra. Raha vao mahita olona na mpandalo ireo biby dia mikoropaka avy hatrany ka voatery tsy maintsy aterina ireo mpianatra. Mamono olona am-polony isan-taona io tranga io. Ny taona 2023 teo, olona 50 no maty ary 85 no naratra vokatry ny fifanenana tamin’ny biby dia io. Mety mbola hitombo io taha io noho ny zava-misy any an-toerana satria miparitaka ireo biby, mivezivezy ihany koa mitady rano vokatry ny fahamainan’ny tany ka mety hifanena amin’ny olombelona hatrany. Manoloana izany dia nanolotra bisikileta ho an’ny mponina ireo fikambanana samihafa momba ny fiarovana ny valan-javaboaary sy ny avy avy amin’ny iraisam-pirenena. Afaka mitsoaka lavitra ireo biby ny mpianatra, ary voaaro ihany koa raha mandeha bisikileta. Mpianatra an-jatony no nomena izany.
