Maurice : Nanamafy ny fandalovany ao amin’ny nosy ny Air Belgium amin’ny taona ho avy
Nanamafy ny famarotany ny tapakilany mampitohy an’i Bruxelles sy Port-Louis ary i Johannesburg sy Le Cap ny Air Belgium. Eo anelanelan’ny 31 martsa sy ny 25 oktobra 2024 dia hanao tolotra tao amin’ny nosy Maurice sy Afrique du Sud io orinasam-piaramanidina io.
Sidina roa isan-kerinandro mampifandray an’i Bruxelles-Zaventem sy ny seranam-piaramanidina Port-Louis-SSR no tolotra omen’izy ireo an’ny nosy Maurice. Efa fantatra fa isaky ny talata sy ny zoma ino hisy izany. Noho ny fanitarana ny fifanarahana « interligne » nataon’ny Air Belgium niaraka tamin’ny Air Mauritus kosa dia afaka miazo ireto toerana manaraka ireto ny mpandehany : Saint Denis-Roland Garros, Rodrigues-Sir Gaëtan Duval ary Antananarivo-Ivato.
Ny ora fandehanan’ny fiaramanidina kosa raha ny fanazavana dia hiankina amin’ny vanin-taona.
