ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Nisy ny fanentanana momba ny fitsinjarana ny fako sy ny fahadiovana tao amin’ny tsena

Taorian’ny hetsika fanentanana teny amin’ny fokontany Tanjonandriana, dia nitohy tamin’ny fanentanana mahakasika ny fitsinjarana ny fako sy ny fitandroana fahadiovana tao amin’ny tsena indray ireo tomponandraikitra misahana ny servisy Raoka Fako, ao amin’ny kaominina Ambohimanambola.

“Anisan’ny toerana manana fako tsara sy mora fehezina ny tsenan’ambohimanambola. Hita nandritry ny fanentanana fa betsaka ireo fako mora lo azo avadika zezika. Noho izany, dia nifanentana ireo mpivarotra rehetra ny hitsinjara ny fako atao anaty daba manga » hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny servisy.

« Nandritry ny fanentanana dia niaraka nanadio ireo mpivarotra sy ny kaominina. Nisy ny fizarana loka maro samihafa ho an’ireo rehetra nandray anjara tao anatin’izany. Tsara tohizana ny fiaraha-mietana ho an’ny rehetra. Ny fametrahana izany, izay mila  fotoana sy fahazarana » hoy hatrany ny fanazavana.

Marihina moa fa ny fandrindrana ny fako ventiny no sahanin’ny Servisy Raoka fako. Izy ireo avokoa no mitsinjara sy mandritra ireo fako azo ahodina na ho an’ny isan-tokatrano izany na ny eny amin’ny tsena. Mbola mitohy ihany koa ny fanentanana sy ny fampianarana ny rehetra mahakasika izany lamina izany, araka ny voalaza.

Manitra R.

Laisser un commentaire