Tontolo iainana : Ilaina fitandremana hatrany ny mahakasika ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo
Misy akony betsaka amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona ny fahalotoan’ny rivotra izay miverimberina eto Antananarivo. Misy fotoana midina ihany ny tahan’ny loto kanefa misy fotoana dia hita fa miteraka aretina sy tsy fahatomombanana maro izany izay hita matetika aoa antin’ny volana oktobra, novambra ary ny desambra. Miseho indrindra indrindra izany eo amin’ny zaza sy ny ankizy.
« Rehefa mijery dia ny vokany maharitra no jerena. Mety hiteraka hatramin’ny homamiadana izany raha hiainana maharitra. Ireo ankizy moa no tena lasibatra satria ny taova amin’ny ankizy kely dia tena mbola marefo ka raha miaina aamin’ny rivotra maloto matetika dia handoaka ny homamiadana tsijkelikely izany », hoy i Zo Rakotomavo, Météorologue.
« Efa fantatra hatrany izany zava-miseho izany fa teny foana no miasa dia ny fitadiavana vahaolana anefa hodiana fanina. Iza no olona tsy mahalala fa mety hiteraka fahaseporanan izany fahalotoan’ny rivotra hiainana izany fa inona moa ny azony hatao. Misy ireo te hanavotra dia mamboly hazo fa misy ihany koa anefa ireo olona izay minia manimba foana. Ny vahaolana tsara indrindra amiko dia hampandraisina anjara ny rehetra mba samy ho tonga saina fa iombonana izany zavatra izany. Anjaran’ny rehetra ny miasa ho fahasalamany dia voaaro ho azy ny hafa », hoy i Marcelin, mpanabe eny amin’ny ambaratonga faharoa.
Ilaina hatrany ny fahamailoana mba tsy hihitaran’ny loza izay mety hitranga. Ilaina ihany koa ny fandraisana ndraikitry ny tsirairay mba hahafahana mifampiaro. Ireo fitaovana sy orinasa isan-karazany izay mandoto ny rivotra ihany koa dia tokony hanana adidy avo roa heny amin’ny fiarovana ny olona rehetra manodidina azy.
Miora Raharisolo
