ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Tao amin’ny fokontany Ambohibato no nanombohan’ny hetsika Krismasy isam-pokontany

 Tamin’ny sabotsy 17 Desambra teo no nanombohan’ny hetsika Krismasy izay karakarain’ny kaominina Ambohimanambola. Nisantatra ny fanatanterahana izany hetsika izany ny fokontany Ambohibato, araka ny voalaza.

« Fokontany miisa 3 no nanatanterahana ny hetsika nandritra iny fanombohana iny ary samy nahazo ny anjara fifaliany avokoa na ireo ankizy na ny tanora na ireo olon-dehibe nandritra ny fandalovana teny. Anisan’ny tanjona sy hanaovan’ny kaominina hatrany moa ny mizara sy manaikaiky ny vahoaka » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina.

« Faly ny kilonga nahita dadabe noely, faly ihany koa fa nahazo hafaliana tamin’ny babampa sy ny fanentanana isan-karazany ary hisaorana ny kaominina izay nikarakara izany fa tena nitondra fifaliana amin’izao ankatoky ny fety izao » hoy i Tamby, mponina ao Ambohibato.

Niara-nientana, niara-nifaly tokoa ny rehetra nandritra ny fandalovan’ny kaominina teny ifotony teny. Ny fokontany Ambohibato sy Ambohimahatsinjo moa no nanatanterahana ny hetsika ny andron’ny sabotsy. Nitohy tamin’ny fokontany Ambohipeno ny andron’ny alahady.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire