Actualités

« Baleine bleue » no biby lehibe indrindra amin’izao vanin’andro izao

Ny « baleine bleue » antsoina ihany koa hoe « rorqual bleu » dia karazana biby mampinono an-dranomasina (cétacé) ao amin’ny fianakavian’ny « balænopteridé ». Omena ny anarana siantifika hoe « Balaenoptera musculus » izy io.

Lehibe kokoa noho ny lahy ny vavy amin’io biby io. 25 ka hatramin’ny 27 metatra eo ho eo no halavany ary mahatratra hatramin’ny 130 taonina eo ho eo ny lanjany. Misy mahatratra 31 metatra amina 170 taonina kosa nefa ny « baleine bleue ».

Ny « Baleine bleue » no biby lehibe indrindra amin’izao vanin’andro izao. Anisan’ny karzana trozona lehibe indrindra ihany koa izy. Ny ahabe goavana indrindra tamin’io karazana trozona io dia 33,5 metatra izay nilanja 190 taonina.

Mizara karazany 3 mazava tsara ny « baleine bleue » : « B. m. musculus » ao amin’ny Atlantique sy Pacifique avaratra, ny « B. m. intermedia » ao amin’ny ranomasimbe Antarctique ary ny B. m. brevicauda ao amin’ny ranomasimbe Indien sy ny ranomasimbe Pacifique. Nisy ihany koa nefa ny « B. m. indica » hita tao amin’ny ranomasimbe Indien izay heverina fa karazany hafan’io trozona io.

Laisser un commentaire