Ambohimangakely : Nahazo « Poste avancé », hiasa ho an’ny fandriampahalemana ny fokontany Tsarahasina
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro lasa teo ny « Poste avancé fixe » an’ny zandarimaria ao amin’ny fokontany Tsarahasina, kaominina Ambohimangakely. Tonga nanotrona izany fanokafana izany ny ben’ny tanàna ao an-toerana sy ireo mpiara-miasa amin’ny ao anivon’ny fiadidina ny kaominina, ny filohan’ny filan-kevitra kaominaly, ny lehiben’ny borigadin’ny zandarimaria Ambohimangakely ary ny sefom-pokontany ao an-toerana.
« Ity foto-drafitr’asa ity dia natao mba hanala ny fahasahiranan’ny vahoaka eo amin’ny lafin’ny fandriampahalemana. Hiasa avy hatrany izy io ary hisy hatrany ny fiandrasan-draharaha, eny fa na amin’ny alina aza. Raha misy fitarainana na fanomezam-baovao tian’ny mponina hatao dia afaka manatona izany birao izany avy hatrany izy » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Isaorana ireo tomponandraikitra amin’ny fandraisana fepetra manoloana ny tsy fahandriam-pahalemana. Efa ela tokoa ireo mponina no nitaraina manoloana ny hafitsok’ireo mpanao asa ratsy koa manantena vokatra tsara, mba hampilamina ny fahandriam-pahalemana tokoa ny fametrahana izao poste avancée izao » hoy i Doda, mpivarotra enta-madinika.
Anisan’ny manamora ny fitorohana ny mpanao asa ratsy ny fametrahana ny « poste avancé » tahaka izao. Afaka maneho fitaraina ankalalahana araka izany ireo olona sendra na mahita trangana asa ratsy eny amin’ny manodidina azy eny, manampy ireo mpitandro filaminana amin’ny fanenjehana ireo mpanao asa ratsy ihany koa izany.
Manitra Ramanantsoa
