Ukraine : Niditra ao amin’ny tafika i Igor Belanov
Mpilalao baolina kitra taloha nahazo ny « Ballon d’or » tamin’ny taona 1986 i Igor Belanov. Nanolo-tena hanatevin-daharana ny tafik’i Ukraine izy manoloana ny fanafihana ataon’i Russie ny fireneny. 61 taona i Igor Belanov ammin’izao fotoana, mpikamban’ny tafika miaro ny tanana’i Odessa izy amin’izao fotoana, toerana izay nahaterahany. »Fiadanana ho an’i Ukraine ary voninahitra ho an’ireo rehetra manohitra ireo mpanafika tonga hanakorontana ny tanintsika sy ny vahoakantsika izay afaka sy mahery fo » hoy izy. Ankoatra azy dia maro ihany koa ireo mpanao fanatanjahan-tena efa nanatevin-daharana ny tafik’i Ukraine. Anisany i Vasiliy Lomachenko, Oleksandr Usyk, Georgii Zantaraia ary ry Klitschko mirahalahy.
