ActualitésTatitra

29 septambra : Andro iraisam-pirenena ho an’ny fo

Anisany taova manan-danja indrindra eny amin’ny vatana ny fo. Natao indrindra ity andro iraisam-pirenena ity hanentanana manoloana ny aretin’ny fo sy hampahatsiahivina fa mila kojakojaina io taova io.

Mbola mitana ny laharana voalohany mitarika ny fahafatesana eran-tany ny aretin’ny fo izay mitarika taham-pahafatesana 17,9 tapitrisa isan-taona na 31% amin’ny taham-pahafatesana eran-tany. Manoloana izany dia manentana ny Federasiona iraisam-pirenen’ny fo (WHF) ao Genève isan-taona ny amin’ny finanana sakafo ara-pahasalamana, fanaovana fanatanjahatena, tsy fifohana sigara, famerana ny alikaola sotroina ary famehezana ny adin-tsaina, izay ratsy amin’ny toe-pahasalaman’ny fo avokoa.

Laisser un commentaire