ActualitésTsidika

Fisandohana andraikitra : Lehilahy nisandoka ho polisy tratra tetsy 67ha

Tia vola kanefa kamo hiasa, izany no azo hamaritna itony mpisandoka itony. Manamaivana ihany koa ireo tena tompon’andraikitra satria manao tsinontsinona ny asa efa nianarana sy nahazona fahalalana manokana ho an’ireo tena tompon’andraikitra.

Ny fomba fiasan’ity lazina fa polisy ity dia manambaka ireo mpivarotra finday amin’ny sisin-dalana eny 67ha eny, laziny fa tys manara-dalàna ny entana ka tonga dia alainy fotsiny tsotr’izao. Tsy misy sahy miteny ny olona satria « polisy » izy. Teo ampisavana lehilahy mitondra écran plat iray izay nangatahany taratasy, ary nolazainy fa tsy ara-dalàna ka saika noentiny ilay televiziona, no nahatrarana azy tamin’ny alalan’ireo polisy nanao fanamiana sivily teny an-toerana.

« Efa ela izy no notadiavina sady niarahana niasa tamin’ireo mponina eny amin’ny manodidina, efa maro ny angom-baovao azo mahakasika ity lehilahy ity ka izao izy tratra izao », hoy ny avy ao amin’ny CSP7 eny 67ha eny. « Efa sarotra ny fiainana ka samy manao izay fomba ahitany vola ny olona kanefa maro ny asa azo atao fa ity misoloky sy mangalatra ity tena zavatra tsy mendrika ny maha olona mihitsy, io ihany koa tsy eto amin’ny ville ihany fa manerana ny tanàna mihitsy toy ny ety aminay ety Ankadindratombo ety fa tsy mety tratra moa zareo amin’izao aloha », hoy i Tanjona, mponina ao Ankadindratombo.

Efa niakatra fampanoavana ny raharaha ary efa nidoboka eny Tsiafahy ny tovolahy ankehitriny ho anatra ho an’ireo manaraka mbola mirenireny any. Tsy misy marina izay tsy hiseho, hoy ny fitenenana, ka manaova ny soa hatrany.  

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire