Russie : Voaheloka amin’ny raharaha hafa indray i Navalny
Ny alakamisy teo no niseho imasom-bahoaka ny mpanohitra Alexei Navalny, izay nogadraina nandritra ny volana maro. Nanomboka tamin’ny fotoana nidirany tao an-tranomaizina, no nanomboka nitokona sy tsy nihinan-kanina izy, tsikaritra eny amin’ny toe-batany izany, izay efa hita ho mahia sy reraka nandritra izany. Ny fikambanana mpanohana azy anefa etsy ankilany nanambara fa miatrika fiampangana vaovao indray i Alexeï Navalny. Fiampangana voalohany nahazo azy ny fanalalam-baraka olona iray teo amin’ny fitondrana, niatrika fitsarana tamin’ny alalan’ny fivoriana hampitain-davitra izy. Ankehitriny anefa, miatrika fiampangana vaovao indray izy raha ny filazan’ny antoko mpanohana azy. Nanamafy ihany koa ireto mpomba azy ireto fa misy ny fanakorontanana amin’ny alalan’ny tambajotra sosialy manerana ny biraom-paritra hisian’ireto antoko ireto. Anton’izany ny filazan’ny antokon’ny fitondrana fa manao fampihorohoroana ny vahoaka ny mpanohitra. Nandidy ihany koa ny fitsarana any an-toerana fa tsy azon’izy ireo hatao manomboka izao ny manaparitaka vaovao ao amin’ny tamba-jotrantserasera, tsy azo hatao ihany koa ny fikarakarana hetsika sy ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana. Mbola tsy fantatra mazava anefa ny fanamelohana vaovao mahazo an’i Alexei Navalny, saingy nampahafantarin’ireo mpikambana fotsiny ny fisian’izany.
