Telo arivo tapitrisa Ariary no entina hanarenana ny tany eto Madagasikara
Vao tsy ela akory izao no nankalazaina ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tany, tamin’ny 22 Aprily, araka nampafantarin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana lovainjafy nandritra izany, marary ny tanintsika ka mila vonjena sy arenina. Isan’ny manimba ny tany ny fandripahana ny ala sy ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny. Nandritra izany mihitsy no nanambaran’ny Talen’ny fambolen-kazo, fintanana ny Tontolo sy ny ala eo anivon’izany Minisitera izany, Hanitriniaina Razafindrahanta, fa mila fanohanana ara-bola hanarenana indray ny tany eto Madagasikara izay potika noho ny asan-draolombelona. Efa nanaiky hanohana ara-bola ny avy ao amin’ny MEDD, ny vondrona Eoropeanina, ny Ratsan’ireo firenena eto Afrika sy Caraibes ary Pacifique ka hanome vola mitentina 3 100 tapitrisa Ariary. Tsy ampy amin’ny teti-bola natsangana anefa izany. Nanaiky ihany koa hanampy ny avy ao amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena noho ny fifampitokisana ara-politika tamin’io sampana io. Ny firaisam-be Iraisam-pirenena ho an’ny fikolokoloina ny Natiora no hitantana io volabe io manaraka ny tetik’asan’ireo ONG efatra : ONG MAVOA, MBG, OZS, WWT. Ka ny MAVOA no hikarakara ny Mangabe any Moramanga, ny WWT no ho any amin’ny Lac Sofia, ny OZS no any Kianjavato Mananjary, Torototofotsy Moramanga, Montagne des Français Antsiranana ary Mahafaly Lavalolo Betioky. Raha ny MBS, no any amin’ny alan’i Makirovana Tsihomanaomby ary Ankarabolava Agnakatrika, Soanierana Ivongo. Ambany fanaraha-mason’ny Ministeran’ny Tontolo iainana hatrany ireo tetik’asa ireo. Tsy miandry ny fanampiana tahaka izany ihany anefa akory vao hahavotra ny tany fa isika ihany koa afaka manao izay anjara manandrify antsika. Mila mamboly hazo, sy matsahatra ny fandoroana tanety ary tsy manary fako indrindra ny Plastika fa trandrao ho azo ahodina izany.
Nicole Rafalimananjara
