PolitiqueTsidika

Mpitsara 12 no nanatanteraka fanambaram-pananana teny amin’ny Bianco

Mpitsara miisa 12 eo anivon’ny sekoly ambony mampiofana mpitsara sy mpiraki-draharaha (ENMG) no nanatanteraka fanambaram-pananana teny anivon’ny Birao mahaleotena amin’ny ady amin’ny kolikoly (BIANCO) ny 19 Aogositra teo.

« Natao mifanakaiky ny fanadinana fifaninanana mihitsy izao hetsika izao mba hahafahana manara-maso ny mety ho fiovana na fitomboana teo amin’ny fananan’izy ireo », raha ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny sekoly ambony mampiofana mpitsara sy mpiraki-draharaha, Ramarolahihaingonirainy Anthony. « Tsy hijanona eo amin’ny fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana ihany ny ady amin’ny kolikoly fa hitohy hatrany amin’ny toeram-pampianarana » hoy ny avy ao amin’ny BIANCO.

« Mila ady mafy isika eto manoloana ny kolikoly ary tadidio fa samy iharan’ny sazy avokoa na ny mpanome vola na ny mpandray vola » hoy ireto mpitsara ireto. Nanampy izany ihany koa ny Tale Jeneralin’ny Birao Mahaleotena amin’ny ady amin’ny kolikoly, Andrianirina Laza Eric fa fa mbola vitsy ireo olom-panjakana no manatanteraka ny fanambaram-pananana na dia maro amin’izy ireo aza no voatendry tokony hanatanteraka izany.

Mariky ny fandrosoan’ny firenena iray tokoa ny fisian’ny mangarahara eo amin’ny sehatra rehetra ary indrindra eo amin’ny fifaninana ho fiidirana ho mpiasam-panjakana izay nampimenomenona ny olona fatratra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire