ActualitésTsidika

Avaradrano : Ho avy tsy ho ela ny hetsika BTC « Masters Project »

Amin’ity volana septambra ity no hanatanterahana ny tetik’asa « Masters Project » izay karakarain’ny BTC. Hetsika iray izay entina hanomezana lanja sy hanindrandrana ary indrindra hanosehana ireo tanora Malagasy amin’ny fahaizany mba ahafany mivelatra kokoa sy tonga lavitra amin’ny talenta hananany.

Tanora Malagasy roa havanana amin’ny fifaninana « billard » , Dani sy Finiavana no hisolo tena an’I madagasikara amin’ny fifaninana iraisam-pirenena. Hisy araka izany ny fanomezana tolo-tanana azy ireo mandritra ny tetikasa « Masters Project » afahan’izy manoman-tena amin’izany. Hisy ihany koa fanentanana ireo tanora ao anatin’ny distrikan’Avadrano mba hitrandraka ny fahaiza-manao sy hampitombo ny lenta ao anatin’ny fifaninana.

« Mandritra ireo lanona ao anatin’ilay Masters Project dia hisy ny “crowdfunding” izay hanaovana hetsika hitadiavam-bola entina hanohanana ireo mpifaninana ireo amin’ny fanomanana sy ny fandehanan’izy miatrika ny fifaninana any am-pita. Ankoatra ireo, dia hisy ihany koa ny fampirantiana ireo mpandresy amin’ny alalan’ny “projecteur” ao amin’ny distrikan’avaradrano izay tsy fantatra kanefa anisan’ny mendrika » hoy ny mpikarakara ny tetikasa.

Mifanindran-dalana amin’izay, farany, ny fifaninana ho an’ireo mpampianatra na ireo mpampiofana mendrika indrindra avy eny anivon’ny sekoly miankina na tsia amin’ny fanjakana » hoy ny fanazavana nataon’ny tompon’andraikitra ao amin’ny BTC mikarakara ny « Masters Project ».

Araka izany, anisan’ny famohazana indray ireo mpana-talenta sy mpifanina indrindra ao amin’ny distrikan’Avaradrano ity hetsika ity. Ho tanisaina miandalana eto ihany moa ireo fandraharam-potoana mahakasika ity tetikasa ity.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire