ActualitésTatitra

Etats-Unis : Nahitam-bokany ny fihetsiketsehana nataon’ny mponina manoloana ny tranga nahazo an’i Ralph Paul Yarl

Tovolahy mainty hoditra iray monina ao Kansas i Ralph Paul Yarl, 16 taona. Saika naka ny zandriny kambana roalahy tao amin’ny tranon’ny namany izy ny 13 aprily teo saingy diso varavarana. Avy hatrany nefa dia notifirin’ny tompon’io trano io ny basy indroa teo amin’ny lohany izy. Naratra mafy izy saingy mbola afaka nitsoaka, niezaka nitady fanampiana tamin’ny manodidina ihany kosa ny tenany saingy tsy nahazo ka tsy nahatsiaro-tena teny an-dalana.

Efa nahazo fitsaboana ary sy misy ahatahorana raha ny ain’ i Ralph Paul Yarl raha ny filazan’ny fianakaviany. Lehilahy lehibe fotsy hoditra iray 85 taona kosa no nitfitra azy raha ny fanazavana. Nahazo famotsorana io lehilahy io taorain’ny fisamborana azy saingy manoloana ny fihetsiketsehana nataon’ireo mponina tao Kansas dia nohelohina ny alatsinainy teo ny tenany.

Laisser un commentaire